La présentation est en train de télécharger. S'il vous plaît, attendez

La présentation est en train de télécharger. S'il vous plaît, attendez

FTK EKAR Md Louis Mpanjaka fenomanana. Ny Hasin’ny fanambadiana kristianina sy ny hiainana azy.

Présentations similaires


Présentation au sujet: "FTK EKAR Md Louis Mpanjaka fenomanana. Ny Hasin’ny fanambadiana kristianina sy ny hiainana azy."— Transcription de la présentation:

1 FTK EKAR Md Louis Mpanjaka fenomanana

2 Ny Hasin’ny fanambadiana kristianina sy ny hiainana azy

3 NY TOKANTRANO KRISTIANINA ANTOKY NY HOAVIN’NY FIANAKAVIANA

4 Hasina: teny hilazana zavatra ambony, sarobidy. Masina tokoa satria manavaka ny zavatra tsotra efa mahazatra amin’ny zavatra iray manandanja be. Fanambadiana: ‘Ny fanambadiana dia fifaneken’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray hivady marina ka ifanomezan-toky fa hifankatia sy hifanaja ary tsy hifamitaka mandritra ny andro rehetra iainany.’ Katesizin’ny Fiangonana Katolika Kristianina: Izay rehetra mpanaradia an’I Kristy ka miezaka mitandrina ny didiny. Manaiky ny fijaliana

5 Teo amin’ny tanataram-paharianan’izao tontolo izao, dia ny fanambadiana no fiombonam-piainana naorin’Andriamanitra voalohany teo amin’ny tantaran’olombelona (Adama sy Eva)(Jen 2, 7;18; 21-24). Andriamanitra nahary ny olombelona tamim-pitiavana sy nataony mitovy endrika aminy. Nasandratr’Andriamanitra ambonin’ny zavaboaary rehetra ny olombelona, satria nomeny hanjakany avokoa ny zavaboaary hafa ary dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra, hoe: miteraha maro, mitomboa, ary mamenoa ny tany. (Jen 1, 26-31). Izany hoe: mpivady sy ny fianakaviany miaina anatin’ny fiainana lavorary, miaina ny fiadanana sy ny fahasambarana feno tso-dranon’ Andriamanitra, no fandaharan’Andriamanitra teo am-piandohanan’ny tantaram-pahariana an’izao tontolo izao.

6 Iaraha mahita sy miharihary anefa ankehitry fa, miha-simba ny fiainam- pianakaviana, na ny atao hoe fianakaviana mihintsy no miova endrika, tsy araka ny fandraharan’Andriamanitra intsony, nohon’ny fihanaky ny kolontsaina vaovao manohitra ny voajanahary, vokatry ny fanatontoloana sy ny atao hoe fandrosoana post-moderne (mondialisation et civilisation post-moderne), izay miely eran’izao tontolo izao. (toy ny : homoparentalité sy ny homosexualité, ny travestisme sy ny transsexualité, ny fanalan-jaza, ny bébé éprouvette sy ny enfant porté, sns…). Hoy ny Papa Jean Paul II hoe: « Ny Fianakaviana no toerana masina hoan’ny fiainana, sy ny iaina fototrin’ny fiarahamonina sy ny Fiangonana » (la Famille est le sanctuaire de la vie et la cellule vitale de la société et de l’Eglise ). Eo anatrehan’ny herisetra izay mihatra amin’ny Fianakaviana amin’izao fotoana izao, dia adidin’ny ny mpivady krisianinana rehetra ny miaro ny zo amankasin’ny Fianakaviana, sy ny miezaka amin’ny fandavorariana ny fiainam-pianakaviana, araka ny sitrapon’Andriamanitra.

7 Ahoana ny fomba hiainana azy? Miaina amin’ny tena fitiavana. I kor 13-4 Sambatra isika fa anisan’ny voahantso ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra amin’ny fahariana ny AINA Sambatra ihany koa isika fa voantso isan’andro amin’ny fanasany izay homaniny antsika isan’andro isan’andro

8 FOMBA HIAINANA AZY Fahaizana maneho fitiavana -- ny tambitamby -- fifampiresahana ‘’Mpifankatia tsy mifampiresaka very ny androtokom-pitiavany’’ -- ny tolotolotra -- ny orokoroka -- ny safosafo -- ny firaisam-batana

9 Ny hevitrin’ny hoe VADY Ny VADY dia Tiana sady tia Famenon’ny tena Silam-panahy Tenan’ny tena Tsy atakalo tsy soloina Nofidiana tao anatin’ny maro Nofidiana hiaraka hamakivakin’ny fiainana Tsiriritina isan’andro isan’andro Ametrahana fitokisana Andry iankinana Izarana ny hafaliana sy ny alahelo

10 Ny vady dia: Natao ho namana Omena fitiavana tsy misy fetra (Ataovy ambonin’ny fanirianao ny fanirian’ny vadinao) Mpanala alahelo sady mpanabitamby Nofidiana ho ray na ho renin-janaka Hakana sy hizarana hevitra Hikarakara sy ho karakaraina

11 vady Noho izany dia tokony ho: --TIAVINA --EKENA -- ary HAJAINA ny VADY

12 HAFATRA ‘Atao toy ny fitia garanadrelina ny FANAMBADIANA e, Miketrona vao maika miha mamy’’ ‘’Mpivady dia voafidy ho iraka hitondra fiadanana’’

13 Prsdt Jozefa Famerenana ny hoe inona no atao hoe mariazy. Sakramenta, famantarana hita maso. Fampahafatarana ny asan’ny FTK Tito 2, 1-9/Efz 6;1, 5;24-33 Fampatsiahivana momba ny mariazy. (firy minitra). Andriamanitra no nanao ny mariazy fa jesoa no nanadratra azy ho sakramenta

14 Prsdt Jean Marc Hasin’ny mariazy: Entina eo anatrehan’Andriamanitra. Masina. Ny lehilahy no misionera mpanome aina, vehivavy iraka hitahiry aina. Zvt lehibe ny aina mitovy laharana amin’ny sakramenta ny filaharana ny mariazy Tokony ho tompon’andraikitra ny ol vita mariazy Antson’Andriamanitra (relijiozy sy ny fanambadiana)

15 Hafatrin’I papa Mifampivavaka Mifampiresaha Aza be zava miafina

16 Prsdt Jerome Tsy tsara raha irery ny lehilahy… nasandratr’I Jesoa ho sakramenta. Lehilahy iray vehivahy…. Tokony ho tandremana mafy Mamenoa ny tany, Andriamanitra dia fitiavana, misionera hampitombo ny taranaka, manohy ny asan’Andriamanitra amin’ny fahariana

17 Pauline Mariazy lasa fahazarana, tokony hampahafatarana an mpivady hoe misy hafatra ampitain’Andriamanitra, ary manao contrat amin’Andriamanitra Ny vavolombelona tokony handray andraikitra amin’ny fisaraham-panambadiana maro Voavotra ny hasin’ny fanambadiana

18 Psdte Jocelyne Izany hasina izany dia toerana no misy azy, hazo avo halandrivotra, betsaka no zvt sedraina ka tokony hijoro sy ataony lohalaharana. Tokony hiezaka hanatratra ny tanjona ka io mariazy io no harofanina. Mafy orina izy io eo anatrehan’Andriamanitra ary hanahaka an fianakaviana masina Ara-panahy ny mariazy dia tsy maintsy hamafisana ny ara-panahy

19 Mamofy ny atao hoe mariazy. Hasin’ny fanambadiana Misionera ny mpivady Inona ny Vady Fanantontoloana Hiainana azy mariazy exercice


Télécharger ppt "FTK EKAR Md Louis Mpanjaka fenomanana. Ny Hasin’ny fanambadiana kristianina sy ny hiainana azy."

Présentations similaires


Annonces Google